Bokin'ny Eksodosy 25:18
Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 25
Cross References
Genesis 3:24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.
Exodus 37:7Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ ny lohany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana:
1 Kings 6:23Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony.
1 Chronicles 28:18ary ny lanjan’ ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin’ ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
Ezekiel 10:2Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midìra eo anelanelan’ ny kodia, dia eo ambanin’ ny kerobima, ary fenoy vain’ afo avy eo anelanelan’ ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin’ ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
Ezekiel 10:20Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo ambanin’ Andriamanitry ny Isiraely teo amoron’ ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.