Bokin'ny Eksodosy 25:22
Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 25
Cross References
Genesis 18:33Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin’ ny fonenany.
Exodus 29:42Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao
Exodus 30:36Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ ny Vavolombelona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masìna indrindra ho anareo izany.
Exodus 31:18Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.
Leviticus 16:2dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ ny fitoerana masìna izy; dia ao anatin’ ny efitra lamba, eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ ny rahona eo ambonin’ ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
Numbers 17:4Ary nalain’ i Eleazara mpisorona ny fitondran’ afo varahina, izay efa nanateran’ ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ ny alitara