Bokin'ny Eksodosy 25:30
Ary asio mofo aseho eo ambonin’ ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And thou shalt set upon the table shewbread before me alway.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 25
Cross References
Exodus 39:36ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
Leviticus 24:5Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray.
Numbers 4:7Ary hamelatra lamba, volon’ ondry manga eo ambonin’ ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
1 Samuel 21:6Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’ izaho niainga dia masìna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masìna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
1 Chronicles 23:29ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
2 Chronicles 13:11ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin’ ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain’ i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.