Bokin'ny Eksodosy 25:6
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Oil for the light, spices for anointing oil, and for sweet incense,
In Context
5sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
7sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 25
Cross References
Exodus 27:20Ary mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
Exodus 38:6Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
Numbers 4:16Ary ny raharahan’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan’ andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin’ ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin’ ny fitoerana masìna sy ny fanaka momba azy.