Bokin'ny Eksodosy 26:1
Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 26
Cross References
Exodus 25:4sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,
Exodus 25:18Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
Exodus 26:36Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Exodus 35:6ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon’ osy
Exodus 36:8Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Exodus 39:3Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin’ ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan’ ny mpanenona mahay.