Bokin'ny Eksodosy 26:36
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 26
Cross References
Exodus 27:16Ary eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
Exodus 35:11dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
Exodus 36:37Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny lay izy, dia tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Exodus 40:5Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
Numbers 3:25Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Gersona eo amin’ ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
2 Samuel 7:6Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.