Bokin'ny Eksodosy 27:1
Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 27
Cross References
Exodus 17:15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
Exodus 24:4Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo.
Exodus 38:1Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin’ ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
Exodus 40:6Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
Exodus 40:29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
2 Samuel 24:18Ary Gada nankany amin’ i Davida tamin’ izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.