Bokin'ny Eksodosy 27:19
Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 27
Cross References
Exodus 27:3Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’ afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
Exodus 38:20Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
Exodus 39:40ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana,
Numbers 4:32sy ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
Ecclesiastes 12:11Ny tenin’ ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen’ ny mpiandry iray izy;
Isaiah 33:20Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.