Bokin'ny Eksodosy 28:11
amin’ ny asan’ ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 28
Cross References
Exodus 28:21Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase, ho amin’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
Exodus 28:36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
Exodus 39:13ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
Job 19:24Enga anie ka ho voasoratra amin’ ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin’ ny vatolampy ho mandrakizay izy!
Zechariah 3:9Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’ i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ ity tany ity.
Ephesians 4:30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.