Bokin'ny Eksodosy 28:2
Ary manaova fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And thou shalt make holy garments for Aaron thy brother for glory and for beauty.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 28
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Exodus 29:5Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an’ i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin’ ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
Exodus 29:29Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
Exodus 39:1Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Leviticus 8:7Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin’ ny efoda taminy izany.
Numbers 20:26dia esory ny fitafian’ i Arona, ka atafio an’ i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin’ ny razany ka ho faty ao.