Bokin'ny Eksodosy 28:38
Ary ho eo ambonin’ ny handrin’ i Arona izy, mba ho entin’ i Arona ny heloky ny zava-masìna, izay hohamasinin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny fanomezany masìna rehetra; ary ho eo amin’ ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ ny hamama: dia eo anoloan’ ny hamama no hasiana azy.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 28
Cross References
Exodus 28:43Ary hiakanjoan’ i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ ny taranany mandimby azy izany.
Leviticus 10:17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Leviticus 22:16na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
Leviticus 23:11ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’ i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin’ ny ampitson’ ny Sabata no hanevahevan’ ny mpisorona azy.
Isaiah 53:6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Isaiah 56:7Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.