Bokin'ny Eksodosy 28:41
Ary ataovy amin’ i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 28
Cross References
Exodus 28:4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Exodus 29:9Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
Exodus 29:35Dia manaova izany amin’ i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
Exodus 30:25dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
Exodus 30:35Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masìna.
Leviticus 8:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: