Bokin'ny Eksodosy 29:14
fa ny henan’ ny vantotr’ ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin’ ny afo eny ivelan’ ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Leviticus 4:3raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.
Leviticus 4:12dia ny tenan’ ny vantotr’ ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan’ ny toby ho amin’ izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin’ ny kitay amin’ ny afo izy; eo amin’ ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
Leviticus 4:25Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
Leviticus 4:32Ary raha zanak’ ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
Leviticus 5:8Dia hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany ho afaka amin’ ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.
Leviticus 8:17Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.