Bokin'ny Eksodosy 29:18
ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Genesis 8:20Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
Genesis 22:2Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
Genesis 22:13Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ ny zanany.
Leviticus 1:17ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
1 Samuel 7:9Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
1 Kings 18:38Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.