Bokin'ny Eksodosy 29:22
Ary alao ny saboran’ ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Leviticus 3:9Ary hangalan’ ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ ny faran’ ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
Leviticus 7:32Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin’ ny fanati-pihavananareo.
Leviticus 9:19Ary natolony azy koa ny saboran’ ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
Leviticus 10:14Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin’ izay fitoerana madio, dia ianao mbamin’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ ny fanati-pihavanana aterin’ ny Zanak’ Isiraely.
1 Samuel 9:24Dia nalain’ ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin’ ny eo aminy ka napetrany teo anoloan’ i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin’ izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin’ izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin’ i Samoela androtrizay.