Bokin'ny Eksodosy 29:27
Ary hamasino ny tratran’ ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin’ ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’ i Arona sy izay ho an’ ny zanany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Leviticus 7:37Izany no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana,
Leviticus 9:21fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan’ i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidian’ i Mosesy.
Numbers 6:20Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
Numbers 18:18Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana.
Deuteronomy 18:3Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;
Hebrews 7:28Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ ny fianianana kosa, izay tato aorian’ ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.