Bokin'ny Eksodosy 29:38
Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ andro
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
39(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Leviticus 9:17Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana maraina.
1 Chronicles 16:40hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
2 Chronicles 2:4Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
2 Chronicles 29:7Ary narindriny ny varavarana amin’ ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.
Ezra 3:3Dia naoriny teo amin’ ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.
Ezekiel 46:13Ary zanak’ ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan’ andro ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.