Bokin'ny Eksodosy 29:40
ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ ny isan-janak’ ondry iray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
39(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Exodus 16:36Ary ny omera dia ampahalofon’ ny vata efaha.
Leviticus 6:13Izao no fanatitr’ i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’ i Jehovah amin’ izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan’ andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
Numbers 4:16Ary ny raharahan’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan’ andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin’ ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin’ ny fitoerana masìna sy ny fanaka momba azy.
Numbers 15:4izay manatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
Numbers 15:7ary divay ampahatelon’ ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Numbers 15:24koa atao tsy nahy izany ka tsy fantatry ny fiangonana; dia hanatitra vantotr’ ombilahy iray ny fiangonana rehetra ho fanatitra dorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.