The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 29 › Bokin'ny Eksodosy 29:43

Bokin'ny Eksodosy 29:43

Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And there I will meet with the children of Israel, and the tabernacle shall be sanctified by my glory.

In Context

42Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao

44Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.

Read all of Bokin'ny Eksodosy 29

Cross References

Exodus 40:35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.

Leviticus 9:6Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian’ i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr’ i Jehovah.

2 Chronicles 5:13ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’ i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon’ i Jehovah;

2 Chronicles 7:1Ary rehefa vita izany vavak’ i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.

Isaiah 60:1Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.

Haggai 2:7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 29:43

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Eksodosy 29:42Bokin'ny Eksodosy 29Bokin'ny Eksodosy 29:44 →