Bokin'ny Eksodosy 29:9
Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 29
Cross References
Exodus 27:21Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby,
Exodus 28:40Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
Exodus 40:15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.
Leviticus 8:33Ary tsy hiala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
Numbers 16:10Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak’ i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?