Bokin'ny Eksodosy 3:16
Mandehana, dia angòny ny loholon’ ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 3
Cross References
Genesis 1:7Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ ny habakabaka tamin’ ny rano ambonin’ ny habakabaka; dia nisy izany.
Genesis 50:24Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Exodus 2:25Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’ Isiraely ka nahafantatra azy.
Exodus 4:5mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Exodus 4:31Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’ Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
Exodus 15:14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;