Bokin'ny Eksodosy 3:17
ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin’ ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 3
Cross References
Genesis 15:21ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
Genesis 50:24Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
Exodus 3:8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Exodus 33:3dia ho amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
Numbers 13:27Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
Joshua 5:6Fa efa-polo taona no nandehanan’ ny Zanak’ Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran’ ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah izy; dia ireo no nianianan’ i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.