Bokin'ny Eksodosy 3:19
Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan’ ny mpanjakan’ i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin’ ny tanana mahery aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And I am sure that the king of Egypt will not let you go, no, not by a mighty hand.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 3
Cross References
Exodus 4:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
Exodus 6:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
Exodus 7:14Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa mafy ny fon’ i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
Exodus 9:7Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
Exodus 10:20Nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely izy.
Exodus 11:10Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.