Bokin'ny Eksodosy 3:20
Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an’ i Egypta amin’ ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 3
Cross References
Genesis 15:14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy.
Exodus 6:6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
Exodus 9:15Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ ny tany ianao.
Exodus 11:8Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
Exodus 12:39Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
Deuteronomy 6:22Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika.