Bokin'ny Eksodosy 3:6
Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 3
Cross References
Genesis 12:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;
Genesis 17:3Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
Genesis 26:24Ary Jehovah niseho taminy tamin’ iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’ i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’ i Abrahama mpanompoko.
Genesis 28:17Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra.
Genesis 32:9fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
Exodus 3:15Ary hoy koa Andriamanitra tamin’ i Mosesy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ i Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.