Bokin'ny Eksodosy 30:10
Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Leviticus 4:7ary hotentenan’ ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah, izay ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin’ ny vantotr’ ombilahy dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Leviticus 16:5Ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
Leviticus 16:29Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
Hebrews 1:3Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avo
Hebrews 9:22Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.