Bokin'ny Eksodosy 30:12
Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Exodus 38:25Ary ny volafotsy avy tamin’ ny olona izay voaisa tamin’ ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masìna:
Numbers 26:2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika.
Numbers 31:50koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
2 Samuel 24:4Nefa tsy azon’ i Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nolavina ny tenin’ ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan’ ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
1 Chronicles 21:3Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
1 Chronicles 21:14Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.