Bokin'ny Eksodosy 30:18
Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
19Ary eo no hanasan’ i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Exodus 31:9sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
Exodus 40:7Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
Leviticus 8:11Dia namafazany impito teo ambonin’ ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
1 Kings 7:38Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin’ ny fitoerany folo.
2 Chronicles 4:6Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
Zechariah 13:1Amin’ izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ ny taranak’ i Davida sy ho an’ ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.