Bokin'ny Eksodosy 30:34
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Exodus 25:6sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
Exodus 30:23Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’ izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
Leviticus 2:1Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
Leviticus 5:11Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
Leviticus 24:7Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
1 Chronicles 9:29Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masìna rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.