Bokin'ny Eksodosy 30:7
Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Exodus 30:34Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
Leviticus 6:5Ary ny afo eo ambonin’ ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
1 Samuel 2:28Eny, nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin’ ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an’ ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny afo.
1 Chronicles 6:34Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin’ ny fitoerana masìna indrindra sy hanao fanavotana ho an’ ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra.
2 Chronicles 2:3indro, izaho efa efa hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin’ ny fotoam-pivavahina voatendrin’ i Jehovah Andriamanitray; ho adidin’ ny Isiraely mandrakizay izany.
2 Chronicles 29:7Ary narindriny ny varavarana amin’ ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.