The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 31 › Bokin'ny Eksodosy 31:14

Bokin'ny Eksodosy 31:14

Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Ye shall keep the sabbath therefore; for it is holy unto you: every one that defileth it shall surely be put to death: for whosoever doeth any work therein, that soul shall be cut off from among his people.

In Context

13Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.

15Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.

Read all of Bokin'ny Eksodosy 31

Cross References

Exodus 30:33Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.

Exodus 35:2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.

Numbers 15:35Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ ny toby ny fiangonana rehetra.

Nehemiah 9:14Ary nampahalala azy ny Sabatanao masìna Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;

Isaiah 58:13Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,

Ezekiel 20:16satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 31:14

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Eksodosy 31:13Bokin'ny Eksodosy 31Bokin'ny Eksodosy 31:15 →