Bokin'ny Eksodosy 31:3
ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;
4dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
Read all of Bokin'ny Eksodosy 31
Cross References
1 Kings 3:9Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
1 Kings 7:14Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin’ ny firenen’ i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’ i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
Isaiah 28:6Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
1 Corinthians 12:4Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.