Bokin'ny Eksodosy 31:6
Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 31
Cross References
Exodus 6:26Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
Exodus 35:4Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
Exodus 35:25Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
Exodus 36:8Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Exodus 38:23Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
1 Kings 3:12dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.