The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 32 › Bokin'ny Eksodosy 32:1

Bokin'ny Eksodosy 32:1

Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when the people saw that Moses delayed to come down out of the mount, the people gathered themselves together unto Aaron, and said unto him, Up, make us gods, which shall go before us; for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him.

In Context

2Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.

Read all of Bokin'ny Eksodosy 32

Cross References

Genesis 19:14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.

Genesis 39:8Dia nandà izy ka nanao tamin’ ny vadin’ ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.

Genesis 44:15Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?

Exodus 14:11Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?

Exodus 20:3Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

Exodus 24:18Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 32:1

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
Bokin'ny Eksodosy 32Bokin'ny Eksodosy 32:2 →