Bokin'ny Eksodosy 32:14
Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the LORD repented of the evil which he thought to do unto his people.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Numbers 14:20Dia hoy Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.
Deuteronomy 32:26Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona,
Judges 2:18Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
1 Chronicles 21:15Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nitsangana teo anilan’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
Psalms 106:45Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ ny famindram-pony.
Jeremiah 26:13Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.