Bokin'ny Eksodosy 32:16
Ary ny vato fisaka dia asan’ Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’ Andriamanitra, voasoratra teo amin’ ny vato fisaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the tables were the work of God, and the writing was the writing of God, graven upon the tables.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Exodus 34:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
Deuteronomy 9:9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
Deuteronomy 10:1Tamin’ izany andro izany no nilazan’ Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
2 Corinthians 3:3eny, aseho ho epistilin’ i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin’ ny ranomainty anefa, fa tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra velona, tsy teo amin’ izay tena vato fisaka, fa teo amin’ izay vato fisaka nofo, dia ny fo.
Hebrews 8:10Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;