Bokin'ny Eksodosy 32:17
Ary rehefa ren’ i Josoa ny fitabataban’ ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Misy tabataban’ ady atsy an-toby.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ ny mahery na feo fitomanian’ ny resy no reko, fa feon’ ny mihira.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Exodus 24:13Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra.
Joshua 6:5Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon’ ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin’ izay ny màndan’ ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ny olona.
Joshua 6:16Ary tamin’ ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tanàna.
Judges 15:14Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.
1 Samuel 17:20Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
1 Chronicles 7:27Nona no zanakalahin’ i Elisama, Josoa no zanakalahin’ i Nona.