Bokin'ny Eksodosy 32:19
Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ ny tendrombohitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ ny mahery na feo fitomanian’ ny resy no reko, fa feon’ ny mihira.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Exodus 15:20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Exodus 32:11Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
Numbers 12:3Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 10:2dia hosoratako amin’ ny vato fisaka ilay teny teo amin’ ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ ny fiara ireny.
2 Samuel 6:14Ary Davida nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan’ i Jehovah sady nisalotra efoda rongony fotsy.
Lamentations 5:15Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.