Bokin'ny Eksodosy 32:22
Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Genesis 44:18Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao.
Exodus 15:24Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
Exodus 16:20Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’ i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin’ ny olona Mosesy.
Exodus 17:2Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an’ i Jehovah ianareo?
Deuteronomy 9:7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
Deuteronomy 31:27Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.