Bokin'ny Eksodosy 32:3
Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’ i Arona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Judges 17:3Ary rehefa naveriny tamin’ ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an’ i Jehovah mihitsy ity vola avy amin’ ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.
Isaiah 40:19Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Jeremiah 10:9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.