Bokin'ny Eksodosy 32:4
Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Exodus 20:4Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
Exodus 28:9Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely:
Exodus 32:1Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
Deuteronomy 9:16Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.
Judges 8:27Dia nataon’ i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin’ i Gideona sy ny ankohonany izany.
1 Kings 12:28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.