Bokin'ny Eksodosy 32:5
Ary raha hitan’ i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an’ i Jehovah rahampitso.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 32
Cross References
Exodus 12:14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Exodus 32:4Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Leviticus 23:4Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, dia fivoriana masìna hantsoinareo amin’ ny fotoany avy:
Leviticus 23:37Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masìna, hanaterana fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin’ ny fotoany avy izy rehetra,
1 Kings 12:32Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay notendreny.
2 Kings 10:20Ary hoy Jeho: Manendre fivoriana masìna ho an’ i Bala. Koa dia nanendry andro izy.