The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 33 › Bokin'ny Eksodosy 33:1

Bokin'ny Eksodosy 33:1

Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, ho amin’ ny tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the LORD said unto Moses, Depart, and go up hence, thou and the people which thou hast brought up out of the land of Egypt, unto the land which I sware unto Abraham, to Isaac, and to Jacob, saying, Unto thy seed will I give it:

In Context

2Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

Read all of Bokin'ny Eksodosy 33

Cross References

Genesis 12:7Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.

Genesis 15:18Tamin’ izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ ny onin’ i Egypta ka hatrany amin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,

Genesis 26:3Mivahinia eto amin’ ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’ i Abrahama rainao;

Genesis 50:24Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.

Exodus 32:1Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,

Exodus 32:13Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 33:1

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
Bokin'ny Eksodosy 33Bokin'ny Eksodosy 33:2 →