Bokin'ny Eksodosy 33:11
Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’ i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin’ ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak’ i Nona, tsy niala tamin’ ny lay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 33
Cross References
Exodus 17:9Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako.
Exodus 32:17Ary rehefa ren’ i Josoa ny fitabataban’ ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Misy tabataban’ ady atsy an-toby.
Numbers 12:7Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra.
Deuteronomy 5:4Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
Deuteronomy 34:10Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrika
Job 16:21Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako.