Bokin'ny Eksodosy 33:7
Ary fanaon’ i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan’ ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an’ i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan’ ny toby.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 33
Cross References
Deuteronomy 4:29Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Psalms 10:1Jehovah ô, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin’ ny andro fahoriana?
Psalms 35:22Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
Isaiah 55:6Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Hosea 9:12Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy!
Hebrews 13:11Fa rehefa nentin’ ny mpisoronabe niditra ho ao amin’ ny fitoerana masìna ho fanatitra noho ny ota ny ran’ ny biby, dia nodorana teny ivelan’ ny toby ny fatiny.