Bokin'ny Eksodosy 33:9
Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 33
Cross References
Genesis 17:22Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’ i Abrahama.
Exodus 13:21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
Exodus 31:18Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.
Exodus 34:3Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin’ ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman’ osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin’ izany tendrombohitra izany
Numbers 7:89Ary rehefa niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin’ Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah.
Deuteronomy 31:15Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.