Bokin'ny Eksodosy 34:20
fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 34
Cross References
Exodus 13:12dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
Exodus 13:15ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.
Numbers 3:45Alao ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny biby fiompin’ ny Levita ho solon’ ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
Deuteronomy 16:16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;
2 Samuel 24:24Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’ i Jehovah Andriamanitro amin’ izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’ i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.