Bokin'ny Eksodosy 34:4
Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 34
Cross References
Exodus 19:3Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:
Exodus 32:16Ary ny vato fisaka dia asan’ Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’ Andriamanitra, voasoratra teo amin’ ny vato fisaka.
Deuteronomy 10:3Dia nanao fiara tamin’ ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.