Bokin'ny Eksodosy 34:7
mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ ny tany ka niankohoka;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 34
Cross References
Exodus 20:6nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Exodus 23:21Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
Deuteronomy 5:9Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy,
Joshua 24:19Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
Nehemiah 1:5ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
Job 10:14Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.