Bokin'ny Eksodosy 35:2
Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Aza mampirehitra afo amin’ ny andro Sabata any amin’ izay rehetra itoeranareo.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 35
Cross References
Exodus 23:12Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
Exodus 34:21Henemana no hiasanao, fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin’ ny taom-pamafazana sy amin’ ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
Numbers 15:32Ary raha tany an-efitra ny Zanak’ Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin’ ny andro Sabata.
Luke 13:14Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata.
Hebrews 2:2Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ ny fahotana,